4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Vol1. isaory azy - Ny Antsa Fitiavana

Reférence :

« Misaora amin’ny zavatra rehetra;

fa izany no sitrapon’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesosy ho anareo. »

(1 Tesaloniana 5:18)

---------------------------------------------------------------



1. Fantatrao moa ? Raha mahatsiaro ho irery ianao

Na tsy mety izay atao, Ireo dia noho ny helokao

Ibebaho ny ota vitanao,

K’andeha hizotra indray amin’ny lalam-baovao



2. Taomy koa ny hafa Izay tsy mbola nahalala

Na ‘reo ‘zay misalasala, mba hiaraka aminao

Lazao azy fa mahery Jesoa

Satria izay mahagaga efa nataony avokoa



Ô DERAO ILAY MPANAO IZAO REHETRA IZAO

N’AIZA MISY ANAO LAZAO NY HERINY

AMBARAO IZAO TONTOLO IZAO :

“RAHA SENDRA FAHORIANA IANAO, NA TOJO FIFALIANA

‘ZAY REHETRA IAINANAO, ISAORY AZY”



Ô DERAO ILAY MPANAO ANAO

N’AIZA MISY ANAO LAZAO NY HERINY

AMBARAO HO REN’IZAO TONTOLO IZAO

FA : “RAHA ORY IANAO, NA KOA FALY IZAO

‘ZAY REHETRA IAINANAO, ISAORY AZY”







3. Tadidionao, Fitiavana no angataho

Iombonana ho iray toy ny mpirahalahy

Fa izany no ahafantaran’ny olona

Fa mpianany ianareo raha toa ka mifankatia



4. Tandrovy koa ny fitondran-tenanao

Kendreo ho mendrika, madio sy marina

Dia torio f’izay mino an’I Kristy

No hahazo sy handray ny Aina mandrakizay



Ô DERAO ILAY MPANAO ANAO…

… ‘ZAY REHETRA IAINANAO, ISAORY AZY”



Fa efa Azy ianao k’aza mandà ny heriny

Meteza hohavaoziny ho fotsy sy madio

Hanompo, hankatoa, hanetry tena koa

F’izay manaiky izany no hahazo Aina vaovao





Tonony sy feony : RAKOTONANAHARY Haritiana

1998

Partager vol1. isaory azy

Commenter vol1. isaory azy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ny Antsa Fitiavana

Suite